Natao sonia omaly, teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Ampefiloha, ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny orinasa Orange Madagasikara. Hifototra amin’ny fanamafisana ny fifehezana ny niomerika, hanamora ny fidiran’ny tanora sy ny vehivavy amin’ny sehatry ny asa ny tanjon’ny roa tonta. Hitondra ny rafi-panjakana sy ny tohana hahazoana ny fankatoavana ara-panjakana ireo fiofanana mifanaraka amin’ny fenitra nasionaly ny minisitera. Hizara ny fahaiza-manaony momba ny niomerika sy ny haivao ary ny fampiroboroboana ny fidirana amin’ny sehatry ny asa kosa ny Orange Madagascar, amin’ny alalan’ny Orange Digital Center. Hiaraka hamolavola ny votoatin’ny fiofanana mifanaraka amin’ny asa niomerika ny teknisianina amin’ny andaniny roa. “Hahazo taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana sy diplaoma ireo hisitraka izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye Niang.
Ho an’ny mpianatra eny anivon’ny toeram-panofanana teknika ny fiofanana amin’ny fanabeazana niomerika. Hanome fitaovana informatika sy connexion koa ny orange ahafahana manatanteraka izany. Mpiray ombon’antoka koa ny Orange Madagascar amin’ny fametrahana ilay Ivontoeram-panofanana niomerika lehibe ho an’ny tanora sy ireo rehetra liana amin’ny tontolo niomerika miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, araka ny nambaran’ny minisitra, Andriamampandry Todisoa.
Vonjy





