Raharaham-panjakana: hirosoana ny teknolojia niomerika

Natao ny 7 sy 8 oktobra teo, teto Antananarivo, ny fivo­riana mahakasika ireo Antokondraharaham-panjakana, orinasam-panjakana na tranombaro-panjakana. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola izy ireny. Nampahafantarin’ny talen’ny Fitantanana ny fiahiana ny Antokondraharaham-panjakana (DTEP), Ramatoa Rahasim­bololomboahangy Ny Ako, ny mpivory ny momba azy sy ny rantsamangaika ao aminy. Miisa 183 ny Antokondraharam-panjakana eto Madagasikara ka eto Antananarivo ny 107 ary any amin’ny faritra ny ambiny.
Tafiditra tao anatin’ny lahadinika koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny DTEP sy ireo Antokondraharaham-panjakana mba hahomby kokoa. Anisan’izany ny mahakasika ny fampanarahan-dalàna, ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra ara-bola, ny fiofanana sy ny tantsoroka omen’ny DTEP azy ireo.
Navoitrany fa tanjona ho amin’ny hoavy ny hampiasana ny teknolojia niomerika. Eo koa ny fandrindrana ny tetibola hiasana, ny fametrahana ny rafitra fitantanana ny antontam-baovao ampiasana ny niomerika. Havaozina ny Torolalana mirakitra ny fitantanam-bola sy ny fitantanana ny mpiasa.

Njaka A.

Partager sur: