Nohavaozina hifantoka bebe kokoa amin’ny hoavin’ny mpianatra any aoriana ny sekoly Maarif eny Faralaza Talatamaty. Tanjona ny hanamorana ny fiatrehan’izy ireo ny seha-pihariana dieny mbola any an-tsekoly. Nitsidika tampoka, ny alarobia teo, ny sekoly Maarif, ny talen’ny Ofisim-pirenena ny fampianarana tsy miankina (Onep), Razafimahefa Lanto Patrick. Mifanandrify amin’ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana napetraky ny fanjakana izany, indrindra ny fanadinana CEPE, ny BEPC ary ny bakalorea. Manampy ireo, nampidirina anaty programa avy hatrany, manomboka T1 hatrany amin’ny T5, ny taranja anglisy sy ny EPS. Mampihatra ny fandaharam-pianarana vaovao ny T6 hatramin’ ny T9, ka foana ny sokajy A sy B, ary tsy maintsy mianatra ny teny anglisy. Nanamafy ny talen’ny Onep, fa misy ny sokajy L sy S ary OSE. Mbola manana safidy malalaka ny ankizy amin’ity taom-pianarana ity, fa tsy voatery mihatra ny OSE, ary misy safidy telo ny L sy ny S.
Nambaran’ny filohan’ny Maarif, Bidal Demirci, fa tsy mananosarotra ny sekoly ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana. Misy safidy roa ao amin’izy ireo, ny fandaharam-pianarana malagasy sy frantsay. Mahafehy tenim-pirenena maro ny mpianatra, toy ny fiteny tiorka, ny anglisy, ny frantsay, ny alemà, ny espanola ary ny malagasy. Efa taranja mitokana ny « Art plastique ».
Nahavariana ny talen’ny Onep ny nahita ireo mpianatra samihafa, toy ny Afrikanina, Pakistaney, Tiorka, Sinoa, Koreanina ary Malagasy.
Njaka A.





