Hanakaiky ny mpandraharaha, hamaly ny filany ary tomponandraikitra feno ho an’ny famatsiam-bolan’ny tetikasany. Ireo no fotokevitra telo hijoroan’ilay rafitra ara-bola madinika (microfinance) vaovao izay hisokatra tsy ho ela eto Madagasikara.
Tetikasa tarihin’i Alexandre Mey, matihanina sy manana traikefa manodidina ny 30 taona teo amin’ ny sehatry ny banky eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hiara-hisalahy aminy ao anatin’ny tetikasa ireo Malagasy mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena sy teknolojika samihafa ary mpampiasa vola, izay hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefa ananany. « Tanjona ny hanamora ny fahafaha-misitraka famatsiam-bola mifanaraka amin’ny filan’ireo mpandraharaha », hoy i Alexandre Mey, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa, tetsy Ankorondrano. Antony ny hanakaikezana ny mpanjifa amin’ny alalan’ireo tolotra vaovao tsotra sy miavaka izay hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, raha ny fanazavany hatrany. Mbola maro amin’ireo mpandraharaha sy orinasa madinika no tsy afa-misitraka sy miditra amin’ ireo rafitra mpampindram-bola enti-manitatra sy mampihodina ary mampiroborobo ny seha-pihariany. Hamaly izany ny tetikasa. Ho vaindohan-draharaha manokana ny hampitombo sanda ny rojom-pihariana sy hamaly ny hetahetan’ireo mpandraharaha ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.
Ho fantatra tsy ho ela
Efa nahazo fankatoavana avy amin’ireo tomponandraikitra mahefa ny tetikasa. Ankehitriny, miomana amin’ny fampandehanana izany ireo mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny hanatsarana ny fampiatiana ara-bolan’ireo mpandraharaha, orinasa tena madinika ary mpisehatra ara-toekarena tsy ara-dalàna mba hahafahan’izy ireo mampivelatra ny asany sy manorina fifandraisana maharitra amin’ny rafitra ara-bola. Ankilany, ho fantatra tsy ho ela ny anaran’ity rafitra ara-bola madinika ity sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Henintsoa





