Mitentina 305 538 000 Ar ireo vary sy lafarinina nodorana tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. 2 664 ireo gonim-bary ary lafarinina 390 lasaka simba sy nalevina tao Andakoro, kaominina Betsinjaka, ao amin’ny distrikan’i Toliara II. May ny trano nitehirizana ireo entan’ny orinasa Velona Riz ka nahatonga ny fahasimbana. Naharitra telo andro ny fanaovana ny hetsika ary nangataka ny handevonana ireo vokatra ho fiarovana ny mpanjifa ny tompon’entana.
Hanondrana lohamenaka hatrany amin’ny 1 miliara dolara ho an’ny taona 2040. Io ny tanjona apetrak’i Madagasikara raha 101 tapitrisa dolara monja izany ny taona 2025. Misanda 105 tapitrisa dolara ny vokatra naondrantsika ny taona 2021, saingy nihena izany noho ny krizy ara-pahasalamana. Manodidina ny 7 miliara dolara ny tsenan’ny lohamenaka maneran-tany. Mbola miankindoha amin’ny fanodinana ny vokatra ireo mpisehatra eto an-toerana mba hampitomboana ny fanondranana.
Hanatsara sy handrindra ny asa eny ifotony mba hahazoana vokatra mivaingana. Ireo ny tanjona apetraka mandritra ny atrikasa miisa roa ataon’ireo talem-paritra eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina. Hapetraka araka ny tokony ho izy ny toerana sy andraikitr’ireo tomponandraikitra isam-paritra. Hampitoviana ihany koa ny fomba fiasa sy ny lentan’ny asa.





