Nandritra ny Andron’ny paositra: nanao fitiliana maimaimpoana ny Fisa

Mpiara-miasa nandritra ny taona maro ny Fianakaviana sambatra (Fisa) sy ny Paositra malagasy amin’ny fitaterana ny fanafody sy ny kojakoja momba ny fandrindram-piterahana alefa any amin’ny faritra. Nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny paositra ny Fisa, omaly, teny Analakely. Miezaka manatona ny vahoaka hatrany ny fikambanana manome tolotra misy kalitao. Niompana tamin’ny fanaovana fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida ny tolotra nomen’ny tomponandraikitra. Satria, ny volana oktobra no natokana hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, afaka nanao fitiliana an’ity farany koa ny vehivavy rehetra nanatona teny amin’ny tranohevan’ny Fisa. “Mivaly eo no ho eo avokoa ny fitiliana, miaraka amin’ny toromariky ny mpitsabo manokana”, hoy ny mpandrindram-paritry ny Fisa Analamanga, Raveloson Aurore.
Fantatry ny maro amin’ny fisahanana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ny Fisa. Nandray ireo maniry ny hiroso amin’izany na mila torohevitra izy ireo nandritra ny tontolo andro. Fomba fiasa mahazatra ny fanatonana vahoaka tahaka izao satria tsy manana fotoana matetika handalovana eny amin’ny tobim-pahasalamana ny olona.

Vonjy

Partager sur: