INDRAY MIJERY

Nandray anjara tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny famaranana ny herisetra atao amin’ny ankizy, tany Manila, Philippines, i Madaga­sikara. Manohana ny governemanta malagasy amin’ny ezaka fanamafisana ny fiarovana ny ankizy ny Unicef, indrindra amin’ny famolavolana sy fampiharana ny Politika nasionaly momba ny fiarovana ny ankizy. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonambe ny fifanakalozan-kevitra teto an-toerana sy ny fakana ny hevitry ny ankizy miisa 100. Handraisana ny feon’izy ireo amin’ny famaritana ireo fepetra sy dingana horaisin’i Mada­gasikara hiarovana azy ireo amin’ny herisetra, araka ny fampitam-baovao voaray.

Tsy hisy tranga mahery vaika ahina hahakasika an’i Madagasikara, amin’ity herinandro ity, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Ho maina amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy hatramin’ny rahampitso. Tombanana hiverina tsikelikely ny orana tandrifin-drahona any amin’ny faritra avaratra andrefana, ny afovoan-tany, ny ilany atsimo atsinanana manomboka amin’ny alakamisy mankany amin’ny faran’ny herinandro. Hafana hatrany amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy, hatramin’ny alakamisy.

Mitohy ny fihaonana ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana manerana ny faritra, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny fankatoavana sy ny fiantohana ny kalitao. Tao Antsiranana no nandray ny delegasiona, ny herinandro lasa teo, nandinihina ireo olana sedraina eo amin’ny fampianarana, indrindra ny ady amin’ny hosoka sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.

Partager sur: