Tanora sy mpitady asa maherin’ny 1 000 ary olona maro liana amin’ny fiofanana arakasa sy ny fandraharahana no nandray anjara tamin’ny Seraben’ny asa sy ny fandraharahana « Job Fair 2026 » tany Mahajanga, nandritra ny hateloana. Atrikasa sy famelabelarana maro no notanterahina, nahitana ny fanoratana CV, fiatrehana dinidinika amin’ny mpampiasa, ny fizarana traikefa momba ny fitantanana ny maha olona. Teo koa ny fanazavana momba ny toekarena manga, ny asa maitso, ny faharanitan-tsaina artifisialy sy ny niomerika.
Nisy ihany koa torolalana momba ny fandraharahana manaja ny tontolo iainana sy ny fahafahana miasa amin’ireo andrimpanjakana iraisam-pirenena. Maherin’ny 100 ireo mpandray anjara isaky ny atrikasa sy famelabelarana izay notarihin’ireo matihanina sy manampahaizana. Anisan’izany ny tomponandraikitra avy amin’ny Organisation internationale du travail (OIT), i Seynabou Diouf.
Nampisongadina ny hetsika koa ny « Speed recruting » nampifandray mivantana ireo mpitady asa sy ny fiofanana arakasa tamin’ireo orinasa. Nahafahan’ireo tanora nampahafantatra ny fahaizany sy ny traikefany izany. Nahazoany vaovao momba ny asa, ny fanazarana asa ary ny fianarana asa, niaraka tamin’ny torohevitra amin’ny fiatrehana dinidinika amin’ny mpampiasa.
Nikarakara ny hetsika niaraka ny foibem-paritry ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana ao Boeny sy ny Gepam, ny faritra Boeny ary ny Rotary Club Mahajanga.
Vonjy





