TJE 2026 : Orinasa telo nahazo famatsiam-bola

Nisongadina tamin’ny andiany faha-17 amin’ny «Trophées du Jeune Entre­preneur» (TJE) 2026, nokarakarain’ny BNI Madagascar, ny 9 oktobra lasa teo, ireo orinasa miisa telo tantanina tanora. Samy nahazo fampindramam-bola tsy misy zanabola mandritra ny taona voalohany ireo mpandresy. Nisongadina ta­min’izany ny Moli Company, Aqua Valley ary BoGasy Aca­demy. Nisitraka famatsiam-bola hatramin’ny 100 tapitrisa Ariary ny sokajy Croissance + misy ny Moli Company, tarihin’i Ranjalahy Vahatraina Tanjona. Mifantoka amin’ny fanangonana, fanodinana ary fivarotana vokatra ara-pambolena ny orinasa tantaniny. Nandrombaka ny loka tamin’ny sokajy Startup kosa ny Aqua Valley, tarihin’i Thibault Eddie. Misehatra amin’ny fiompiana trondro sy ny fiompiana anaty rano ny tetikasa entina. Anisan’ny asa ataony ny fampandehanana toeram-pamokarana zana-trondro tilapia lahy. Nahazo fampindramam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa Ariary ny orinasa tantanin’ity tanora ity. Ho an’ny sokajy vaovao “Femme Entre­preneure”, natokana ho an’ny vehivavy mpandraharaha, dia ny BoGasy Academy no nahazo ny loka. Natsangan-dRazafiasimalala Vero Hanta Kelhie ity orinasa manofana amin’ny sehatry ny lamaody, ny famoronana ary ny fandraharahana ity. Nahazo famatsiam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa Ariary ihany koa izy.

Fandaharanasa
Ankilany, nisy ny vaomiera mpitsara nanombana ireo antontan-taratasy natolotry ny mpifaninana. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny BNI, ny MIDSP, ny Economic Development Board of Mada­gascar (EDBM), ny FOM ary ny FIVMPAMA. Vokany, isan’ireo nisitraka zanabola na­hena amin’ny alalan’ny fampindramam-bola Crédit Tafa ihany koa ireo kandidà voafantina mialoha, raha nahafeno ny fepetra takina. “Tsy fifaninanana fotsiny ny TJE. Tokony handray anjara amin’ny fampivoarana ireo orinasa ho avy ny banky. Azo atao ny mampitombo ny orinasa raha misy ny fanohanana tena izy sy maharitra », hoy ny tale jeneraly lefitry ny BNI Mada­gascar, Ralaivao Fanja. Tan­jona amin’ny «Trophées du Jeune Entrepreneur», ataon’ny BNI Madagascar, ny ma­mantatra ireo tanora mpandraharaha manana vina hampandroso ny orinasany. Mi­kendry ny hanamora ny fahazoana famatsiam-bola sy ny fanohanana ny fampitomboana ny orinasa ihany koa ny fandaharanasa.

Henintsoa

Partager sur: