Nampahafantarina omaly, ny fisian’ny Birao tokana (Guichet unique) hisahana ny fikarakarana ny fandaniana ny tetibolam-panjakana. Natao izany, entina hanafainganana ny fikarakarana ireo dingana maro samihafa tsy maintsy arahina.
Tsiahivina fa natao ny herinandro lasa teo ny loabary an-dasy momba ny fandaniana ny tetibolam-panjakana 2026. Fantatra fa ny 44,2% ny tetibola ihany no nampiasaina (exécution budgétaire), raha nojerena ny salanisan’ireo rafi-panjakana isan-tsokajiny, nefa tokony hifarana amin’ny faran’ity volana oktobra ity ny fandaniana azy. Natsangana, noho izany, ny Birao tokana handamina izany rehetra izany. Nilaza ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), Razafindrakoto Iouri Garisse, omaly, fa hanafaingana ny fikarakarana ireo dingana samihafa hatrany amin’ny fanekena ny famoaham-bola (engagement budgétaire) ny fametrahana ity Birao tokana ity.
Hita ao avokoa ny sampandraharaha sy rafitra voakasika rehetra, toy ny misahana ny tsenambaro-panjakana, ny hetra, ny tetibola, ny fanaraha-maso ara-bola, izay manome ny fankatoavana famoahana ny vola. Nanamafy ny mpandrindra ny Fitantanana ny tetibola, Ramatoa Razafintsalama Hanitiniaina, fa ahazoana tombondahiny 5 andro eo ny fisian’ity Birao tokana ity, raha oharina ny hatramin’izay, satria angonina amin’ny toerana iray avokoa ireo sampandraharaha voakasika rehetra ka tsy ho lany fotoana hivezivezy.
Apetraka tsara ny fandaminan’asa
Nomarihin’ny sekretera jeneraly ny MEF fa tsy voatery hatsangana isan-taona ity Birao tokana ity. Satria, tokony hapetraka tsara daholo ny fandaminan’asa isak’ireo sampandraharaha isan-tsokajiny mba ho ara-potoana sy mitovy avokoa ny fifanakalozana antontam-baovao.
Miainga any amin’ny fikarakarana voalohany izany hatrany amin’ny fankatoavana ny famoaham-bola. Anisan’ny lesoka teo aloha ny lafiny antontanisa, izay 22% ihany ny « taux d’intégration », ho an’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Manodidina ny 60% kosa ho an’ny fandaniam-bola anatiny avy amin’ny fanjakana malagasy.
Njaka
Andriantefiarinesy





