Ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro eto Madagasikara. Misy ny fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy sy manakaiky ny Tanjona Bobaomby. Manodidina ny 12 – 24 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 22 – 38 °C ny tolakandro, mandritra ity herinandro ity.
« Manomboka ao an-tokantragnontsika ny fahafahagna miatriky sy miarigny afaran’ny loza », io no lohahevitra nosafidiana amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza 2026. Notanterahina omaly, tao amin’ny kaominina Analalava sy Antonibe (disitrik’Analalava), ireo hetsika fanentanana maro momba ny fisorohana, ny fiomanana ary ny fiatrehana ny loza.
Manohy ny fanentanana momba ny maha olom-pirenena vanona eny amin’ireo toeram-panofanana teknika sy arakasa ny Cellule d’engagement civique et environnemental eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Mpampiofana sy mpandraharaha miisa 60 tao amin’ny DRETFP Itasy, LTP Soavinandriana ary LTP Miarinarivo no nisitraka fanabeazana sy fampahatsiahivana momba ny fitondrantena mendrika sy ny fandraisana andraikitra.





