EPP Philibert Tsiranana : Natao Mozea ny efitrano lehibe 

Notokanana ny efitrano lehibe ao amin’ny EPP Philibert Tsiranana, izay natao Mozea nanomboka omaly. Ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël no nitokana izany, niaraka tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, tany Anjiamangirana Antsohihy. Vako-pirenena ny EPP Philibert Tsiranana ka ilaina fikojakojana sy fiarovana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Tsiahivina fa niorina tany amin’ny taona 1905 ny sekoly EPP Philibert Tsiranana, ao Anjiamangirana I, distrikan’ Antsohihy ary tamin’io taona io koa no nanombohana ny fampianarana tao. Io no sekoly nianaran’i Philibert Tsiranana, filohan’ny Repoblika malagasy voalohany fony fahakeliny.
Ny taona 1920 kosa no nananganana ity efitrano sekoly lehibe izay natao ho Mozea manomboka omaly ity.

Mi.Raz

Partager sur: