Fanafanana lanonana : Feno 35 taona ny Orchestre PAP’S

Rasoloarison Gilbert Anatole Claude Martial, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana “Papa”, na “Ndriana Pap’s” (nodimandry 5 taona lasa). Izy no angady nananana sy vy nahitana ny Or­chestre PAP’S, fantatra eo amin’ny fanafanana lanonana sy ny fikarakarana rehetra ma­nodidina izany. Homarihina amin’ny hetsika marolafy ny 35 taona nijoroan’ity « orchestre » ity sy ny fahatsiarovana ny faha-5 taona nahafatesan’i Ndriana Pap’s. Hanokafana izany ny « Alim-pikoranana » arahina sakafo (soirée buffet) hatao etsy amin’ny PK.0 Antanimena, ny zoma 30 oktobra ho avy izao.
Ankoatra ny Orchestre PAP’S izay hanafana ny ampaham-potoana betsaka, handray anjara ihany koa ireo mpanakanto namana akaikin’i Ndriana Pap’s sy i Dj Gouty. Nomarihin’i Packo, lahimatoan’i Ndriana Pap’s izay mitarika ny Orchestre ankehitriny fa «ho raitra sy ho matihanina ireo pitsopitsony teknikan’ity «Alim-pikoranana» ity. Neza­hina hamaly ny filan’ireo mpankafy rehetra ihany koa ny nandrafetana ny fandaharan-kira.
Amin’ny maha mpitia ny taranja fanatanjahantena baolina kitra an’i Papa. Hitohy ny 15 novambra ao amin’ny Kianja Malacam, amin’ny alalan’ny fifaninanana baolina kitra, ny hetsika Hiara-dalana amin’izany ny seho ankalamanjana. Ny 22 novambra, etsy amin’ny PK.0 Antanime­na ihany. Fotoam-bavaka sy fisaorana ireo rehetra niara-nisalahy tamin’ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroan’ny Orchestre PAP’S sy ny faha-5 taona nahafatesan’i Papa.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: