Tokony haverin’i Madagasikara alohan’ny janoary 2027 ny rafitra fanitsiana ny vidin-tsolika, araka ny sosokevitra navoakan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), ny alatsinainy teo. Tanjona ny hampihena ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’ny tetibolam-panjakana. Mitaky ny hametrahana fepetra hanohanana ireo mponina marefo mba hanalefahana ny mety ho vesatra ateraky ny fanitsiana ny vidin-tsolika ihany koa ny FMI. Laharam-pahamehana ihany koa ny hanafainganana ny fanarenana ny Jirama mba hanatsarana ny famokarana ka hampihena ny fiankinandoha amin’ny famatsiam-bolam-panjakana. Ankoatra izay, nohamafisiny fa ilaina ny mampitombo ny vola miditra anatiny sy mandrindra ny fandaniana ho an’ny Fitantanambolam-panjakana. Tafiditra ao anatin’ireo tolo-kevitra ireo ny fanomanana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2027.
Henintsoa





