Efa zary mitoetra ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny tontolon’ny soratra sy ny vakiboky ny hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Ho an’ity taona 2026 ity, hiavaka ireo ho hita mandritra ny « Alarobia miverina ».
Ny 27 oktobra ka hatramin’ny 31 oktobra izao. Hotanterahina ao amin’ ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ilay hetsika lehibe fanao isan-taona, « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Notazonin’ity fikambanana mandia ny faha-74 taonany ity ihany koa ny fametrahana lohahevitra isaky ny andro tsirairay: «Talata manomboka», « Alarobia miverina », « Alakamisy misampana », « Zoma manavàtsa », « Sabotsy mifaly ».
Iray amin’ireo hanana ny fiavahany manokana ny « Alarobia miverina », ny 28 oktobra. Amin’io fotoana io, hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro no hamoahana manetriketrika ireo boky vaovao an’ny mpikambana tsirairay. Ankoatra izany, hisy koa ny fiarahana sy fihaonana amin’ireo mpanoratra sy sakaizan’ny Havàtsa-Upem tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny momba azy sy ny sanganasany. Anisan’izany Andrianasolo Hajaina (filohan’ny Havàtsa-Upem), i Solondrabe Soatsivahana Andry Tiana (Andry STVH), i Fiphie (Fangia kalo gasy), sns.
Ny « Talata manomboka », fanokafana ny hetsika ny maraina. Antsa sy haisoratra an-tsehatra kosa ny tolakandro. Omena laka kosa ireo sampan’ny Havàtsa-Upem ny alakamisy 29 oktobra mandritra ny « Alakamisy misampana ». Amin’io ihany koa ny hamoahana boky vaovao iraisan’ny sampana. Ny « Zoma manavàtsa », antsa hiarahana amin’ny Faribolana Sandratra. Famoaham-bokin’ ny mpikambana. Hahazo sehatra kosa ny mpankafy kabary ny marainan’ny sabotsy 31 oktobra. Fankalazana ny faha-50 taona naha mpanoratra an-dRanjatohery Harilala ny tolakandro.
HaRy Razafindrakoto





