Hiditra amin’ny andiany faha-5 ny “Red Island Bike Fest”. Hetsika hiompana manokana ho an’ny tontolon’ny mozika rock sy metaly, izay miara-dalana amin’ny karazana môtô. Hotontosaina ny 17 sy 18 oktobra izao izany, eny amin’ny Canal Olympya taloha, eny Andohatapenaka.
“Hampiarahina amina toerana iray izay mahakasika ireo sehatra ireo. Endri-kolontsaina iray efa ela no nisy tany ivelany tany, miparitaka maneran-tany sy mitohy hatrany ny fankafizana ity tontolo ity. Miara-dalana amin’ny môtô sy ny rock koa ny karazana fitafiana, kojakoja sy taovolo mampiavaka ireo mpankafy. Anisan’ny fotoan-dehibe amin’ny hetsika ilay fifaninana môtô miavaka, matanjaka, arakaraka ny sokajiny avy”, hoy ny mpikarakara omaly, tetsy amin’ny Yas Andraharo.
Ankoatra ny fifaninanana, fampirantiana sy fanehoana isan-karazany, hisy sehatra ifandimbiasana mpanakanto maro eny an-toerana. Ny 17 oktobra, i Grey sy i Ken. Ny tarika Loharano sy ny tarika Iraimbilanja kosa no mamarana azy, ny alahady.
Zo ny Aina





