Nodomin’ny fiara teny ambony moto niaraka tamin’ny olon-tiany ny tovolahy vao erotrerony, namoy ny ainy teny Antsofonondry, kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’ Antananarivo Avaradrano, ny harivan’ny sabotsy 17 oktobra lasa teo. Naratra mafy ity lehilahy ity sy ny sakaizany. Tsy tana ny ainy raha toa ka nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly ilay tovovavy. Manoloana io tranga io, tsy mbola naharenesam-baovao, hatreto, ny mombamomba izay mety ho nahavanon-doza, araka ny nambaran’ny fianakavian’ny lasibatra. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny manam-pahefana izy ireo. Niniana notarisina mihitsy izy roa satria feno ra tamin’ny faritry ny lalana nahitana azy ireo, araka ny loharanom-baovao. Ilay lehilahy izay hanatitra an’io sakaizany io any Sabotsy Namehana tamin’io fotoana io. Lalana pavé ity nitrangan’ny loza ity. Heverin’ny fianakaviana fa tsy misy adisoan’ilay mpitondra moto velively izao tranga izao. Tompon’andraikitra feno ilay olona nahavanon-doza izay tsy hita popoka mandrak’ankehitriny. « Mba ho hitan’ilay nahavanon-doza fotsiny, mba hanenjika azy ny eritreriny », hoy ny fianakavian’ny namoy ny ainy.
Tsiferana R.





