Basikety 3×3 – «Alley Hoop» : Hitsirihana ireo ho Ankoay

Hotontosaina ny 24-25 oktobra ho avy izao, ao Maha­masina, ny fifaninanana basikety lalaovin’olona telo, sokajy lahy sy vavy, “Alley Hoop” andiany fahavalo. Hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana (Jaytaxx) sy ny Federasio­nina malagasin’ny basikety (FMBB) ary tohanan’ny orinasa Oran­ge Madagascar sy ny Star. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpikarakara, nan­dritra ny fihaonana tamin’ ny mpa­nao gazety, omaly, teny Andraharo, natao hitsi­rihana ireo mpilalao handra­fitra ny Ankoay, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Africa Cup 2026”, ity fifanin­tsanana ity. Fantatra ihany koa fa mahatratra 87 ireo ekipa mandray anjara, ahitana mpilalao 340 isa, voatsinjara anaty sokajin-taonany avy. Anisan’izany ny U18, ny U23 ary ny “séniors”. Hahazo vola mitentina 5 tapitrisa Ariary isan-tsokajy ireo mpandresy amin’ity fifanintsanana ity, raha toa ka 2 tapitrisa Ariary ny an’ireo tonga eo amin’ny fa­maranana. Ho fanamar­hana ny hetsika, hisy ny tolotra maro homen’ny ­Oran­­ge.
Ankoatra izany, nilaza i Jaytaxx fa ezahina hoentina any amin’ny faritra ny andiany manaraka amin’ity “Alley Hoop” ity.

Tompondaka

Partager sur: