Basikety – “ROAD TO BAL” : Faharesena faharoa ho an’ny CosPN

Mbola ratsy ihany ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, CosPN, tamin’ity andro faharoa, fifanintsanana hiakarana amin’ny “Elite 16”, tafiditra amin’ny ady tapakilan’ny “Road To Bal” ity. Resin’ny Namuwongo Blazers, Ogandey, 99 no ho 56 ry zareo, omaly.

“Tsy nahomby! ” La­von’­ny Namu­wongo Blazers, Ouganda, ekipa mpampiantrano, tamin’ ny isa 99 no ho 56, ny CosPN, solontenan’i Mada­gasikara, omaly, tao amin’ny Kianja mitafon’ny Hoima, Ouganda. Fihaonana tafiditra anatin’ny andro faharoa, fifanintsanana afrikanina taranja basikety, “Road To Bal 2027” ity notanterahina tany an-toerana ity.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, hita ho niady sy niezaka ihany ny Malagasy mpilalao, nifanenjehana hatrany ny isa teny amin’ny solaitrabe. Porofon’izany, isa iray, 20 no ho 19, ny fiafaran’ny am­pahefam-potoana voalohany, ni­tarika hatrany ny mpampiantrano. Niezaka nanao izay ho afany ry Arnol sy ry Livio ary ry Ikenna Okeke, mpilalao Cos­PN, saingy mbola nitarika tamin’ny elanelan’isa valo ry zareo Ogandey, nandritra ny ampahefam-potoana faharoa, ka isa 43 no ho 35 no nentin’ ny roa tonta niala sasatra.
Tany amin’ireo fe-potoana folo minitra roa farany, nampiseho ny heriny ny mpampiantrano, raha toa ka nitambesatra kely ny havizanana ho an’ ny CosPN. Niafara tamin’ny isa 99 no ho 56 ny fihaonan’ny roa tonta. Hita taratra tamin’ity lalao ity fa niezaka ny ekipan’ ny polisy nasionaly ary tena niady mafy ireo mpilalao teny ambony kianja na dia resy aza.

Faharesena faharoa …
Marihina fa ity izany ny faharesena faharoa teo amin’ ny Malagasy tamin’ity ady tapakila hiakarana amin’ny dingan’ny “Elite 16” ity. Tsia­hivina fa efa resin’ny Urunani BBC Burundi, 93 no ho 69, ry zareo, nandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana. So­mary sarotra ihany, araka izany, ny dian’ny ekipan’ny polisim-pirenena amin’ity. Tsy maintsy hitady fandresena, amin’ny lalao fahatelo izay hihaonany amin’ny Patriot Basketball Club Roandey, anio.

Fitia Randria

Partager sur: