Fampirantiana roa lehibe : Feno 10 taona ny Fondation H

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hoenti-ma­namarika ny faha-10 taonan’ ny Fondation H, etsy Amba­tomena, lalana Refo­taka, hosokafana ny 13 novambra izao, eny an-toerana, ny fampirantiana roa lehibe. « Maso­andro amam-bolana », hampirantian’i Temandrota ny sanganasany. Eo ambany fitarihana sy fandrindran’i Tamsin Hong sy Hobisoa Raininoro. « Masoandro amam-bolana », hanasongadina ny tontolon’ny kanto, ny zava-panahy, ny fahendrena sy ny foto-pisai­nana mifanjohy amin’izany, ara­ka ny fahitan’i Temandro­tra azy. Mifaka amin’ny kolon­tsaina malagasy.
Ranty hikambanana kosa ny faharoa. Hanehoan’ireo mpanakanto miisa 21 nahazo tamin’ny loka « Prix Paritana » sy ny nahazo ny loka faharoa tao anatin’izay 10 taona ni­sian’­ny Fondation H izay. Eo ambany fitarihana sy fandrindran’i N’Goné Fall, indray, ity ranty faharoa ity. Hiranty eny an-toerana ny sanganasan’i Yannick Tojonantenaina An­dria­nambonisoa, Finoana Ra­tovo Andriantseheno, Mian­galy Elia Andriantsoa. Eo koa ny an’i Dina Nomena Andria­rimanjaka, Olivia Bourgois, Dwa, Tsiriniaina Hajatiana Irimboangy, Andri Marcel, Liva Marc Rajaobelina, Felana Ra­ja­o­narivelo, Viviane Rakotoa­rivony, Arilala Ophélia Ra­lamboson, Chloé Soafaniry Ramanankasina. Miampy ny sanganasan’i Rado Rami­lison, Mahefa Dimbiniaina Randrianarivelo, Andy Raso­lo­harivony, Ashiko Ratovo, Richianny Ratovo, Rijasolo ary Ms. V sy Madame Zo.
Anisan’ny misongadina amin’ity ranty hiarahana mpanakanto maro ity ny fane­hoana ny fahaiza-mamorona eo amin’ny tsirairay sy ny ezaka nataony tao anatin’ny 10 taona.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: