Haisoratra malagasy : Nodimandry omaly i Vahela Osiar

Nitsahatra hatreo ny peniny, nandao ny tany mandrakizay i Vahela Osiar, poeta malagasy avy any Alaotra Mangoro. Nodimandry, omaly, teny amin’ ny HJRA Ampe­filoha ity mpanoratra manana ny maha izy azy sy miavaka ity, rehefa tsy salama fotoana maromaro. Niavaka tamin’ny fomba fanoratra i Vahela Osiar, na tamin’ ny fampiasana ny teny izay voarindra izany, na ny hevitra nampitaina sy ny fihetseham-po nozarainy. Momba ny tany, fitiavana ary ny fiainana no tena resahiny amin’ny sanganasany. Ani­san’ny nampia­vaka ny asasorany ny fampiasana ny voambolana fampiasan’ny tanora, mba hisarihana ny ankizy amin’izao fotoana hitia ny poezia. Poezia ani­san’ny nalaza sy naverin’ny tanora tao amin’ny tambajotran-tserasera sy Tik tok nosoratan’i Vahela ilay hoe “Man­dehana posy”. Tsiahivina fa mpikambana eo anivon’ny Faribolana Sandratra i Vahela ary mpanoratra maro no efa niara-niasa sy nifampizara taminy. Maty namela mamy ho an’ny kanto malagasy i Vahela Osiar. Izy no lasa fa ny asasorany mitoetra. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany izahay eto amin’ny gazety Taratra.

Mi.Raz ­

Partager sur: