Fifaninanana POESAM 2026 : Nahazo ny laharana voalohany ny tetikasa Orateo App

Nomena valisoa, omaly, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ireo nahazo ny laharana telo voalohany tamin’ilay fifaninanana « Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et au Moyen-Orient » (Poesam), andiany faha-16. Nahazo ny laharana voalohany tamin’izany ny tetikasa Orateo App.

Nampiseho ampahibe­maso tao anatin’ny roa minitra ny tetikasany avy ireo valo mianadahy ta­fakatra tamin’ny famaranana. Taorian’izay, notolorana loka ireo nahazo ny laharana voalohany, nosafidian’ny mpi­tsara. Nahazo laharana voa­lohany ny tetikasa Orateo App. Na­hazo mari-bola avy amin’ny Orange mitentina 10 tapitrisa Ariary, Box Wi-Fi ary connexion Wifiber mandritra ny herintaona izy. Laharana faharoa ny tetikasa Moon, na­hazo mari-bola mitentina 8 tapitrisa Ariary sy Box Wi-Fi ary connexion Wifiber ihany koa. Laharana fahatelo ny Eco-kids App, nomena mari-bola 4 tapitrisa Ariary sy finday. Tetikasa mifantoka amin’ ny fanabeazana, fampidirana ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa ary ny fiarovana ny tontolo iainana no tena nisongadina tamin’ity andiany ity. Tanjona ny hanohanana ireo hevitra vaovao afaka mamaly ny filan’ny mponina sy mitondra vahaolana azo tsapain-tanana amin’ny fiainana andavanandro.
Ankoatra izay, voasafidy ho nahazo ny loka ho an’ny vehivavy ihany koa ny Eco-Kids App. Nahazo mari-bola 8 tapitrisa Ariary sy finday iray ity tetikasa ity. Ho an’i Ma­dagasikara, 95 tamin’ireo tetikasa 271 nandray anjara tamin’ity no novolavolain’ny vehivavy. « Manome lanja ny fahasahian’ny vehivavy ny Orange ary manamafy ny fanoloran-tenany ho amin’ny fahasamihafana sy ny fitovian-jo eo amin’ny vintana”, hoy i Marie-Victoire Comet, tale jeneralin’ny Orange money Madagascar, nandritra ny lahateniny.
Tetikasa hianarana miteny
Sekoly fahaizana miteny ho an’ny ankizy efa nisy teto Madagasikara, nanomboka ny volana jolay 2025 ny Orateo App. Application amin’ny finday hianarana miteny, natokana ho an’ny ankizy 6 hatramin’ ny 16 taona izy io. Tanjona ny hananan’izy ireo fahatokisan-tena rehefa miresaka eny imason’olona. “Natao io tetikasa io mba hahafahan’ny zaza malagasy hisokatra amin’ny hafa sy ahafahany mandray hirika fanararaotra eo amin’ny fiainany”, hoy Rakotonirina Mialisoa, nanangana ny Orateo App. Nambarany fa ilaina ny fahaizana miresaka na any am-pianarana na eo amin’ny sehatry ny asa. Teny frantsay no itondrana ny Orateo App amin’izao fotoana. Anisan’ny mampiavaka ity tetikasa ity ny fahazoan’ireo ankizy kilalao, vatomamy, nounours nefa sady mianatra. Misokatra ho an’ny ankizy sahirana tsy manana finday ihany koa anefa izy ireo.

Mino

Partager sur: