Olona efatra tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny kaominina Alasora, omaly. Nihinana
« composé » anaty barquette izay hamidy mandehandeha ny roa tamin’izy ireo. Nihinana « soupe commando » ny roa ambiny. Nentina notsaboina tany amin’ny CSB II Alasora izy ireo. Noho ny hamafin’ny aretina, nalefa any amin’ny hopitaly Ambohimangakely taorian’izay.
Hiakatra fitsarana androany, etsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly 67 Ha, ny raharaha Boeing 777. Misokatra ho an’ny rehetra ny fahafahana manatrika izany. Marihina fa efa nihemotra ity raharaha ity, raha tokony ho natao tamin’ny 22 septambra lasa teo, noho ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy nilain’ny fampanoavana momba izany.
Bajaj mandeha herinaratra miisa enina kila forehitra tao Mangarano, tsy lavitra ny biraon’ny prefektiora manamorona ny lalam-baovao, omaly, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Noho ny fahatapahan’ny herinaratra izay miverina tampoka no antony nahatonga ny firehetana, raha ny fanazavana voaray. Vokany, kilan’ny afo tanteraka ireo fitaovam-pitaterana ireo. Marihina fa tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy tamin’izany.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny UIR ny 24 oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo. Nisy mpivady voaendaka teny amin’ ny Lalam-by Alhambra mihazo an’i Saropody, ka nitaraina tany amin’ny polisy. Natao ny fikarohana ka tratra ilay olon-dratsy, mbola mitohy ny fikarohana ny namany. Efa miatrika fanadihadiana any amin’ny kaomisaria foibe Tanjombato izy io.





