Anisan’ny mamboly orge ny kaominina Ambano, distrika Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Mampidi-bola ny kaominina ny 60% ny tamberim-bidy azo avy amin’ny vokatra, raha an’ny Faritra ny 40%. Nanomboka tamin’ity taom-pambolena 2026 ity, nihena be ny velarantany volena orge, lasa 15 000 ha raha 20 000 ha tamin’ny taona 2025. Nihena ho 1 600 sisa ny tantsaha mamboly azy eto Madagasikara (Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony), raha 2 200 ny taona 2025. Notsorin’ny ben’ny Tanàn’Ambano, Antsirabe II, Ramaroson David, fa « tsy olan’ny mpamboly orge irery intsony izy ity, fa tena mianjady amin’ny kaominina iray manontolo mihitsy. Efa foto-piveloman’ny mponina ato amin’ny kaominina Ambano ny fambolena azy, ary mitondra vokatra ho an’ny kaominina. Satria, mampitombo ny vola miditra ho fampandrosoana ety ifotony. Mitaraina aminay tomponandraikitra ny tantsaha, satria nihena ny velarantany sady teo koa ireo tsy afaka namboly intsony ».
Manoloana ireo, miangavy ny manampahefana ambony ny ben’ny Tanàn’Ambano, hijery akaiky ity tranga ity. «Mangataka ny hampiroboroboana ny seha-pihariana orge izahay, satria tena hita fa mihena ny vola miditra amin’ny tantsaha sy ny fahefa-mividiny. Toraka izany koa ny fidiram-bolan’ny kaominina, tokony hampandrosoana ety ifotony», hoy ihany izy.
Njaka A.





