Hiatrika ny Blue Invest Africa 2026, hatao amin’ny volana novambra, any Cape Town, Afrika Atsimo, Rakotondrazafy Vatosoa, izay handray anjara amin’ny maha mpandahateny azy. Nahazo ny loka Whitley Award izy noho ny ezaka ataony amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Mpanorina ny Conser Fashion #Manjabe 4 Nature, marika akanjo miahy ny tontolo iainana i Vatosoa. Mampifandray ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana ara-toekarena ny asany, indrindra amin’ny alalan’ny fanohanana ny vehivavy sy ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Natao tao amin’ny ONG Manda, fikambanana miahy ireo ankizy sahirana ao Ambohijanaka, ny Ticbus Digital Tour Tana. Hetsika karakarain’ny MNDPT. Nampianatra ny fototry ny niomerika, fampiasana ireo fitaovana niomerika, ny tambajotra sosialy ary ny fiarovana amin’ireo loza mety hitranga amin’ny internet ho an’ny tanora ny hetsika. Nisy koa ny atrikasa hanamafisana ny fahaizan’ny mpampianatra mampiasa ireo fitaovana niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy eo amin’ny fitantanan-draharaha.
Manao ranolava ny fahatapahan’ny herinaratra amina faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina. Manantena fiatoan’izany vonjimaika ny mpanjifan’ny Jirama manoloana ny rotsakorana misesisesy izay heverina fa hampiakatra ny tohodrano ao Andekaleka. Ity farany izay hanampy amin’ny famatsiana ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA).





