Lehilahy iray tombanana ho 34 taona hita faty tao amin’ny rano miangona iray ambadiky ny Mateza Tole Ampitatafika, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka fahefany tany ho any. Olona sendra nilalao rano teny an-toerana no nahita vatana mangatsiaka efa natsingevan’ny rano ka nampandre ny tomponandraikitra. Tsy niandry ela fa tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ifotony ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampitatafika, niaraka tamin’ny mpitsabo, vantany vao nahazo antso.
Mbola teny amin’ny maty avokoa ny akanjo nanaovany, akanjo ambony miloko mena sy pataloha miloko vert armé ny razana. Tsy nahitana ratra ny vatany, saingy nahitana mangana madinidinika. Maty an-drano no nahafaty ity lehilahy ity, raha ny fanazavana nataon’ny mpitsabo tonga nizaha ny razana. Tsy nisy nahafantatra azy ny mponina eny amin’ny manodidina. Tsy nahitana taratasy momba azy rahateo teny aminy, raha ny fanamarinana nataon’ny zandary. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary, niara-niasa tamin’ny kaominina Ampitatafika izy ireo tamin’ny fanaterana ny razana any amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha. Efa misokatra ny fanadihadiana izay sahanin’ny zandary avy ao Ampitatafika.
Mino





