Nanao tatitra momba ny fanadiovana sy fanatsarana ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Dr Ramahefasoa Barbin sy mpiara-miasa aminy, tamin’ity herinandro ity, teny Fiadanana.
Fitarainana 407 no voaray tao anatin’ny herintaona nanatanterahana ny opération Fosika, hanadiovana sy hanatsarana ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony. Tsy ny Mesupres irery ihany no misahana ireo fitarainana ireo fa zaraina arakaraka ny sehatra sy ny sampandraharaha mahefa izany. Amin’ireo antontan-taratasy voaray, 265 nokarakarain’ny Cellule anti-corruption (CAC) eo anivon’ny minisitera. Miisa 27 kosa ireo tsy maintsy nampitaina any amin’ ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Antontan-taratasy miisa 100 hafa nokarakarain’ny minisitera. Mahakasika ny tsy fahatomombanana eo amin’ny famolavolana ny tolotra fampiofanana izany ka azo nojerena sy nahitsy teo anivon’ny minisitera mpiahy ihany. Ankoatra izany, mbola nisy 15 ireo antontan-taratasy voaray taty aoriana, noraisin’ny minisitera an-tanana hatrany. Voakasik’ireo fitarainana avokoa ny ambaratongana diplaoma: Licence, Master ary Doctorat. Samy manana ny endrika isehoany ny tsy fanarahan-dalàna hita.
Fepetra sy sazy hampiharina
Miankina amin’ny vokatry ny fanadihadiana sy ny fomba fiasa ara-dalàna ny fanapahan-kevitra momba ny fanakatonana toeram-pampianarana na ny fampiharana sazy. Misy ny fanadihadiana tanterahin’ ny minisitera. Misy kosa ireo ankinina amin’ireo rafitra mahefa ivelan’ny minisitera, toy ny Bianco. Na izany aza, azo raisina avy hatrany ny fepetra fampiatoana raha misy tsy fahatomombanana lehibe hita eny anivon’ny toeram-pampianarana.
“Ao anatin’ny sazy ara-pifehezana mety hampiharina ihany koa ny fangatahana fanesorana na fanafoanana diplaoma (rétrait de diplôme), arakaraka ny tranga sy ny fepetra voalazan’ny lalàna”, hoy ny ny talen’ny fankatoavana sy ny fiantohana ny kalitao, Dr Rakotoniaina Bearisoa.
Vonjy





