Minisitry ny Fanavaozana : “Efa an-dalana ny fanomanana ny fikaonandoha”

Mifarana indray ity ny volana oktobra. Aiza ho aiza ny fanomanana sy fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena?

“Eo am-panaovana fanofanana an’ireo mpanamora ny fikaonandoha ny FFKM amin’izao fotoana izao.” Izay no nambaran’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Raza­fimanantsoa Hanitra, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly. Taorian’ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny talem-paritry ny Fanavaozana, Analamanga, Andriamatsangy Lahatra no nilazany izany. Efa any amin’ ny distrika samihafa ny eo anivon’ny FFKM. Efa milamindamina ny fanomanana… Na ny komity teknika eo anivon’ny Primatiora izany, na ny lafiny vola, izay tsy maintsy arahina ny fombafomba famoaham-bola satria volam-panjakana no ampiasaina.
Notsiahiviny fa efa nisy ny fikaonandoha savaranonando notanterahina tamin’ny faritra folo. Natao hamaritana ny fomba fiasa sy ireo lohahevitra hodinihina amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. Nisy koa ny andrana natao teny anivon’ny fokontany sasany, nahitana izay tena andrasan’ny vahoaka. Araka izany, hanomboka tsy ho ela ny fidinana ifotony eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, izay hanohizana ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo talem-paritra, mba hahazoan’izy ireo mandray anjara amin’ny fandrindrana ny asa eny ifotony.
Mampita ny hetahetam-bahoaka

Tafapetraka avokoa ny talem-paritra rehetra miisa 23. Ny talem-paritra Analanjirofo no misahana ny Faritra Am­batosoa. Hojerena ihany ny amin’izay amin’ny fotoana manaraka… Na ny birao aza, tsy mbola misy, araka ny fanazavany. Andraikitry ny talem-paritra ny misolo tena ny minisitera eny anivon’ny Faritra, mihaino sy mampita ny hetahetam-bahoaka ary mampifandray ny olom-pirenena sy ny fanjakana.

R. Nd.

Partager sur: