Ankalazaina isaky ny 1 novambra ny andro natokana ho an’ny Force d’autodéfense japonaise (Tafika miaro tena avy any Japon). Manoloana izany, nikarakara fotoana nandraisana sy nihaonana tamin’ireo solontena maro avy amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny fiarovana izy ireo, omaly, teny amin’ ny masoivohon’i Japon etsy Ivandry. «Manolo-tena tanteraka izahay hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny Tafika Malagasy, mba hanohanana sy hisian’ny filaminana, ny fitoniana, ary mazava ho azy, ny fandriampahalemana ato
amin’ny faritra, izay manana lanja stratejika lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy ny masoivohon’i Japon miasa sy monina eto Madagasikara, Tojima Hitoshi, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nambarany fa tena mirehareha tokoa izy ireo amin’ ny fiaraha-miasa miaraka
amin’ny Tafika Malagasy.
Ankoatra izany, « efa nisy tao anatin’ny taona ela ny fiaraha-miasa teo amin’ny Tafika japone sy ny Tafika Malagasy », hoy ny sekretera jeneralin’ny Tafika Malagasy, Andriamasinoro Fanjanirina. Samy Nosy i Japon sy Madagasikara ary tena zava-dehibe ny fiaraha-miasa tahaka izao. Mbola hitohy izany, raha ny nambarany. « Anisan’ny sehatra iaraha-miasa ny fiarovana an-dranomasina. Antenaina fa mbola hivoitra izany satria zavatra tena goavana be izy io”, hoy ihany izy.
Mino





