Miverina amin’ny anarana Air Madagascar ny orinasam-pitaterana ana habakabaka nasionaly Madagascar Airlines. Mbola miankina amin’ny fahavitan’ny dingana ara-pitsarana sy ara-pitantanana anefa ny fampiharana azy manontolo.
Miverina amin’ny anarana Air Madagascar ny orinasam-pitaterana ana habakabaka nasionaly Madagascar Airlines. Nambara nandritra ny lanonana natao ny sabotsy 31 oktobra 2026, tao amin’ny Novotel Antananarivo, izany fanovana izany. Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly, Rabarilala Rado, mikendry ny hamerina ny maha izy azy ny kaompania sy hanatsara ny fitantanana izany fanapahan-kevitra izany izy ireo. « Air Madagascar no anarana ahafantaran’ny vahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka antsika », hoy ny mpitantana. Nampahatsiahiviny ny tantaran’ny orinasa. Niorina tamin’ny taona 1961 tamin’ny anarana MadAir ny kaompania, ary lasa Air Madagascar tamin’ny 1962. Efa nisy ny vokatra voalohany tamin’ny ezaka fanarenana. Araka ny tatitra nataon’ny tale jeneraly hatrany, nihatsara ny toe-bolan’ny orinasa hatramin’ny nandraisany andraikitra tamin’ny mey 2026. Avy amin’ny fatiantoka manodidina ny 700 000 dolara, nahazo ambim-bola mihoatra ny telo tapitrisa dolara ny kaompania, ankehitriny. Nihoatra ny 2,7 tapitrisa dolara koa ny vola miditra tamin’ny fitaterana tamin’ny taona 2026, raha oharina tamin’ny vanim-potoana mitovy tamin’ny taona teo aloha. Nisokatra indray ny sampandraharaha ao Mahajanga sy Analakely. Niverina ihany koa ny zotra Antananarivo–Mahajanga– Moroni, izay ampiasana fiaramanidina ATR 72-500, indroa isan-kerinandro.
Trosan’ny orinasa
Mbola mavesatra anefa ny trosan’ny orinasa. Na nanapa-kevitra ny hanafoana trosa manodidina ny 50 tapitrisa dolara aza ny fanjakana, mbola mahatratra 100 tapitrisa dolara ny fitambaran’ny trosa. « Mbola lehibe ny trosa ary mitaky ezaka ny fanarenana ara-bola », hoy ny mpitantana. Ankoatra izany, mikendry ny hamerina tsikelikely ny zotra iraisam-pirenena mankany La Réunion, Marseille, Bangkok ary Guangzhou ny orinasa. Ny fahatongavan’ny sidina ara-potoana, ny kalitaon’ny tolotra ary ny fahafahan’ny mpandeha matoky ny kaompania no mbola hitsapana ny tena fahombiazan’ny fanarenana.
Henintsoa





