Velaran-tany 4 000 ha no voajary tao Miarinavaratra, faritra Amoron’i Mania, tao anatin’ny telo taona. Ahitana ala kaominaly mirefy 600 ha, ala fambolen’ny isam-batan’olona mirefy 1 054 ha ary ala vadimboly mirefy 2 255 ha izany. Ho an’ny taom-pambolena 2025–2026, nahatratra 260 ha ny velaran-tany voavoly. Ho an’ny taom-pambolena 2026–2027 kosa, velaran-tany manodidina ny 300 ha no ezahina hovolena.
Miroso hatrany ny asa fanarenana ny lalana Ilempona – Belanitra, izay lalana fidirana mankany amin’ny tetikasa Sahofika. Tombanana ho 32% ny taham-pandrosoana, amin’izao fotoana izao. Efa manakaiky ny fidirana ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitompoina, eo amin’ny PK 40, ny asa fanajariana ny tany (terrassement). Efa miroso ihany koa ny andrana ara-teknika amin’ny “Couche d’imprégnation”.
Solosaina 25 no nomen’ny MNDPT ho an’ny sampam-pampianarana fifandraisan-davitra eo anivon’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona (ESPA), omaly. Hetsika natao ho fanohizana ny ezaka efa natomboka amin’ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny Fampianarana ambony.





