Lalao Olympika ho an’ny tanora : Nahazo ny medaly alimo ny Makis Ladies tany Dakar

Ny Makis Ladies, hatreto, no nahazo ny medaly Olympika voalohany ho an’ny Malagasy. Tsy resy mihitsy izy ireo tao amin’ny vondrona B nisy azy ireo. Tany amin’ny manasa-dalana vao nahintsan’i Kenya. Nandavo an’i Tchéquie, 26 no ho 10 indray ka nahazo medaly alimo

Nanoratra tantara vaovao ho an’ny fanatanjahantena eto Madagasi­kara ny Makis Ladies. Nan­drom­baka medaly alimo amin’ ny taranja rugby lalaovin’olona fito, tamin’ity lalao Olympika ho an’ny tanora, izay tonto­saina atsy Dakar, Senegal ity ry zareo, omaly, rehefa nan­dresy an’i Tchéquie, tamin’ny isa 26 no ho 10, lalao fiadiana toerana laharana fahatelo. Raha ny fanazavana azo sy ny fikarohana natao, ry zareo vehivavy malagasy mpilalao rugby no nahazo medaly Olym­pika voalohany ho an’i Mada­gasikara. Raha hiverenana kely ny dian’ny Makis Ladies tamin’ity fifanintsanana ity, tsy nahazo faharesena mihitsy ry zareo tao anatin’ny lalaom-bondrona. Nivoaka ho laharana voalohany tao amin’ny sokajy “B”. Teo amin’ny andro voalohany, resin’izy ireo, 12 no ho 10 i Etazonia, avy eo, Nandavo, 19 no ho 12, an’i Espagne. Farany, noresen’ny Malagasy, 19 no ho 5, i Tché­quie. Ta­min’ny manasa-dalana, nahin­tsan’i Kenya, 15 no ho 5 ny Ma­­lagasy. Ary taorian’io, nanarina ny lesoka teo ana­trehan’i Tchéquie indray ny Makis Ladies, ka izao nitondra medaly alimo izao. Tena mbola nampiseho ny hakingana sy ny fahaizana manipy baolina haingana ary ny tanjaka ny Makis Ladies, ka somary sahirana avokoa ireo mpifanan­drina taminy.

Nody ventiny
Azo lazaina, araka izany, fa nody ventiny ny rano nan­tsakaina, tany Tunisie. Tsia­hivina fa mialoha ity lalao Olympika ity, niatrika fiofa­nana tany Tunisie, nandritra ny herinandro, ny vehivavy malagasy mpilalao. Nanohana sy nanatrika ny lalaon’izy ireo ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré.

Fitia Randria

Partager sur: