Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny tetikasa « Smart Clean Cooking (SCC) ». Haharitra dimy taona ny tetikasa. Tanjona ny hampiroborobo ny fandrahoan-tsakafo amin’ny angovo madio sy hiarovana ny tontolo iainana. Mitentina 35 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ ny OPEC Fund. Maherin’ny 70% amin’izany no hatokana mivantana ho an’ireo mpisitraka. Miara-miasa amin’ny PIC sy ny minisitera voakasika ny mpamatsy vola.
Mbola mampiasa kitay sy saribao ny 90% ny tokantrano malagasy. Fomba fanao izay mandripaka ny ala sy mandoto ny tontolo iainana izany. Misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina koa ny setroka aterany.
Araka ny fanazavan’i Fidiarison Kenny Marco Louis, tomponandraikitra misahana ny angovo avy amin’ny akora biolojika sy ny fandrahoan-tsakafo madio, mbola sakana ny tsy fahafantaran’ny olona ny vidin’ny saribao biolojika. Efa misy anefa ny vahaolana hanamorana ny fahazoan’ny rehetra izany. « Hampihena ny fotoana lany amin’ny fandrahoan-tsakafo sy ny fandaniana isan-tokantrano ny tetikasa», hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Rabearimanga Radonirina Lucas. Ho an’ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa PIC, Rakotondrazaka Ladislas Adrien, ny sehatra tsy miankina no hampirisihina hanamora ny fampiasana angovo madio.
Tanjona ny hanatratra 50% ny fampiasana fomba fandrahoan-tsakafo madio amin’ny taona 2030. Mbola 14% monja izany amin’izao fotoana izao, na dia efa misy aza ny fatana mitsitsy.
Henintsoa





