Taorian’ny fifanandrinana maro natrehin’i Minoharintsoa Bryan, judoka malagasy, mipetraka eo amin’ny laharana fahafito ny tenany, tamin’ity lalao Olympika ho an’ny tanora atao atsy Dakar, Senegal, ity.
Notontosaina afakomaly, ny fifaninanana taranja judo ho an’ny lalao Olympika ho an’ny tanora, atao atsy Dakar, Senegal. Mitana ny laharana fahafito, eo amin’ny sokajy lehilahy
(-100 kg), i Bryan, rehefa nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana.
Raha hiverenana ny zava-bitan’ity mpikatroka malagasy ity. Resiny teo amin’ny lalao voalohany i Shubhanan Timalsina, avy any Népal. Ilay angole, i Joao Agostinho no nanintsana azy nandritra ny ampahefa-dalana. Taorian’io niatrika fifanandrinana ady toerana ny lehilahy. Nahita fandresena teo anatrehan’ilay gabone, Ghyslain Ndong, izy ary rehefa tafita tao amin’ny fifanandrinana faharoa dia lavon’i Asmar Sharif, avy any Tadjikistan.
Nifarana hatreo aloha izany ny fifanintsanana olympika ho an’i Bryan. Nitondra vokatra tsara ho an’ny malagasy kosa ny lehilahy. Ankoatra izany, ho an’ny taranja lomano, hiakatra an-tsehatra, anio, Rakotobe Tendry. Hiatrika ny dingana farany kosa Rakotonanahary Océane.
Tokana mbola nisalotra medaly …
Hatramin’ny omaly, mbola ny taranja rugby lalaovin’olona fito, ho an’ny sokajy vehivavy ihany, no azo lazaina fa nitondra vokatra tsara ho an’i Madagasikara, tamin’ity lalao Olympika ho an’ny tanora ity. Nandrombaka ny medaly voalohany ho an’i Madagasikara nahazo ny medaly alimo ry zareo. Tsiahivina fa taranja enina no andraisan’ny Malagasy anjara. Ahitana ny judo, tolona, rugby lalaovin’ olona fito, tenisy ambony latabatra, lomano, ary ny atletisma.
Fitia Randria





