Nilalao rano! Ankizilahy miisa roa maty lasan’ny rano tetsy Anosipatrana sy Fenoarivo, omaly. Lasa tany amin’ny rano lalina nakana tany fanaovam-biriky, tetsy Anosipatrana, ny iray ka namoy ny ainy. Nilomano tamin’ny rano teny Fenoarivo kosa ny iray hafa. Nezahina novonjena tany amin’ny mpitsabo ity farany saingy tsy tana ny ainy.
Manomboka miakatra ny rano amin’izao noho ny fiavian’ny orana. Tovolahy iray 15 taona, maty an-drano tetsy Anosipatrana, omaly tamin’ny 1 ora sy sasany atoandro tany ho any. Raha ny fanazavana voaray, ankizy maromaro izy ireo no niaraka nilalao rano teo amin’ ny lava-biriky iray eny an-toerana. Lasa tany amin’ny lalina ny iray tamin’izy ireo ka nilentika. Nahita izany ny iray tamin’ny namany ka niezaka namonjy azy. Difotry ny rano tao anefa ilay nanavotra ka nilentika ary izao namoy ny ainy izao. Avotra soamantsara kosa ilay navotana, raha ny fanazavana voaray avy amin’ ny sampana mpamonjy voina. Marihina fa lavaka lalina nakana tany nanaovana biriky ny toerana nilalaovin’izy ireo, tamin’izany, raha ny fanazavana voaray. Taorian’izany, niezaka niantso vonjy tamin’ ny olon-dehibe izay nanao biriky sy nanasa lamba teny amin’ny manodidina ireo tovolahy namany. Nanao ny ezaka tamin’ny fanavotana azy io ny mponina saingy tsy nahitam-bokany. Nampandrenesina mahakasika ny zava-nitranga ihany koa ny teo anivon’ny vondrona mpamonjy voina. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza izy ireo minitra maromaro taorian’ny antso. Nanomboka natao ny fikarohana ary nanodidina ny 30 minitra teo no nahitana ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy. Sempotry ny rano ny antony nahafaty azy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nalain’ny fianakaviany avy hatrany ny razana taorian’ny loza.
Tranga nifanandrify
Ankoatra izany, zazalahy iray (9 taona) hafa ihany koa lasan’ny rano teny Ambohimasina, kaominina Fenoarivo, omaly atoandro. Raha ny fanazavana voaray, niara-nilomano ity ankizy ity sy ny tovolahikely iray namany. Efa teny an-dalana handeha hamonjy fodiana izy roa lahy no nitsoraka tao anaty rano ilay tra-doza. Nidona mafy tamin’ny vato tao anaty rano ny lohany tamin’izany ka nitarika tamin’ ny filentehany ary avy eo lasan’ny rano, raha ny fanazavana voaray hatrany. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay namana niaraka taminy, nataon’ny fokonolona ny fikarohana mandra-pahatongan’ ny mpamonjy voina. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ ny vondrona mpamonjy voina, efa maty ity ankizy tra-doza tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Nambaran’izy ireo hatrany fa nifanandrify tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza teny Anosipatrana ity tranga teny Fenoarivo ity. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hopitaly izy taorian’izay saingy tsy tana ny ainy. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandary avy eny Fenoarivo.
Mino





