Namoaka ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara, izay hifandona amin’i Gambia in-droa misesy, ny 12 sy ny 17 novambra ho avy izao, ny mpanazatra Corentin Martins. Misy ireo nantsoina niverina, misy kosa ireo tsy tazana indray.
Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny anaran’ireo mpilalao 24 mirahalahy nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra, hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatry ny fifanintsanana Can 2027. Naverina ao anaty lisitry ny ekipa nasionaly ry Berajo, vodilaharana malagasy atsy St Denis, La Reunion sy i Fenohasina Gilles, Malagasy lohalaharana ao amin’ny Al Merrikh Soudan. Ankoatra azy mirahalahy, tazana ao anatin’ity lisitra ity ihany koa i Johan N’Zi. I Radobe, vodilaharan’ny Disciples FC Vakinankaratra kosa ny mpilalao avy eto an-toerana voaantso. Lozika ihany ity safidy ity satria tsy dia ampy lalao loatra ny eto an-toerana, noho ny tsy fanombohan’ny fifaninanam-pirenena diviziona voalohany hatramin’izao. Tsikaritra fa tsy nantsoin’ity teknisianina frantsay ity i Loic Lapoussin sy Andy Pelmard.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny andro fahatelo, hidona amin’i Guinée Bissau ny Barea, ny 12 novambra ho avy izao, atsy Maroc, Kianjan’ny Meknes. Any Guinée Bissau kosa no hanaovana ny fifanandrinana miverina, ny 17 novambra. Ampahafantarina fa mbola laharana fahatelo ny Barea, manana isa 1, anatin’ ny sokajy “L”. Anatin’ity vondrona ity, iray ihany no miakatra any amin’ny Can noho ny fisian’i Tanzanie, izay mpampiatrano ny fifanintsanana.
Fitia Randria
Lisitrin’ny Barea 24 mirahalahy :
Mpiandry harato : Geordan Dupire, Sonny Laiton, Zakanirina Rakotoasimbola
Vodilaharana : Sandro Tremoulet, Ehsan Kari, Rajo Nirina Razafindrabe Arimihanta,Thomas Fontaine, Mathieu Acapandié, Radoniaina Rabemanantsoa, Morgan Jean Pierre.
Afovoany : Marco Ilaimaharitra, Behaja Randriamalala, Clément Coueturier, Nicolas Randriamanampisoa, Rayan Raveloson, Johan N’Zi
Lohalaharana : Nicolas Fontaine, Warren Caddy, Hakim Abdallah, El Hadary Raherinaina, Romain Ferber, Arnaud Randrianantenaina, Fenohasina Razafimaro





