Fiantsonan’i Toamasina : Mamorona asa 2 000 ny fanorenana

Mahatratra 202 ha ny velarantany hanorenana ny fotodrafitrasa maro eny Antanandava, Port sec 3, Toamasina. Toe­rana hametrahana kaontenera sy fiantsonan’ny kamiao mpitatitra entana. Asa tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny seranan-tsambo. Mitentina 50 tapitrisa Ariary ny asa. Napetraka ny
5 novambra teo ny vatofototra nanombohana ny asa, notari­hin’ny filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) ny Vovonana mitantana ny fotodrafitrasan’ny seranan-tsambo (PMLP SA), misehatra amin’ny asan’ny orinasa Spat. Ity farany izay mijanona ho tompon’ny tetikasa, tompon’andraikitra amin’ny fifanarahana. Misahana ny fotodrafitrasa rehetra ho an’ny seranan-tsambo rehetra eto Madagasikara ny PMLP SA. Eo koa ny fandrindrana ny fivezivezen’ny entana, ny asa fanorenana ankinina amin’ny orinasa matihanina.
Ho an’ity dingana voalohany ity, miisa 500 ny kamiao afaka miantsona ao amina velarantany 79 300 m2. Afaka ampiasaina andro aman’alina tsy ankiato. Hametrahana fitaovana fanaraha-maso niomerika, mandamina ny fidirana, ny fiandrasana, ny fifandraisana amin’ny seranan-tsambo. Hihena 4 andro ny fidirana sy fakana entana ao anatin’ny seranana.

Sajo

Partager sur: