Fiompiana trondro an-tanàn-dehibe : Hahazo tohana ireo mpiompy etsy Ankorondrano

Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny jono. Asa mahavelona sy mampidi-bola izy io rehefa ara-dalàna ny fitrandrahana sy ny antontan-taratasy.

Tosika enti-mampivoatra ny seha-pihariana sy ny fidiram-bolan’ireo mpio­m­py eny amin’ny fokontany Andranomahery Morarano ny fidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Antony nahatonga ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Ravelo­manantsoa Berija, nidina teny an-toerana, omaly. “Tsy voaresaka matetika ny fiompiana trondro an-tanàn-dehibe ka­nefa anisan’ireo mihinana trondro aman-taoniny isan’ andro”, hoy izy. Notohizany fa midadasika amina 45 ara ny renirano eo an-toerana, ary vonona hanohana ireo mpio­m­py ny minisitera. Tanjona ny hampitombo ny vokatra sy ny fidiram-bolany ka hahafahany mahita lalam-barotra. Ho vaindohan-draharaha ny hampidirana ireo mpiompy eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna mba hananany antontan-taratasy mazava ka ahafahany misi­traka ireo tosika samihafa.

Toekarena
Nilaza ireo mpikambana eo amin’ny Fampivondronana ireo mpikambana mpiompy trondro eo Ankorondrano Mo­ra­rano (Fipitam) fa madio sy ara-pahasalamana ny trondro eny an-toerana. Mampi­asa ireo fitaovana ilaina amin’ny fiompiana izy ireo, saingy mbola tsy ampy ny fahalalana ny fenitra rehetra mifehy ny fihariana. Marihina fa asa mahavelona sy mampidi-bola ny fiompiana trondro. Seha-pihariana mbola malalaka izy io ary tombony ho antsika ny fananana renirano maro sy fari-dranomasina midadasika. Eto Madagasikara, manodi­dina ny 1,5 tapitrisa ny olona mivelona amin’ny jono ary endrika ahafahana mampiroborobo ny fihariana ny fitrandrahana ara-dalàna ny hazandrano mba hampaharitra azy sy ho fihariana lovain-jafy.

Henintsoa

Partager sur: