Hotanterahina any Paris, ny 17 novambra izao, ao anatin’ny « Women’s Forum » ny famaranana amin’ny fifaninanana Trophées de l’innovation 2026 karakarain’ny Institut de recherche pour le développement (IRD). Vehivavy mpikaroka roa dia i Toziny Viva Elianah sy Larissa Valisoaniaretana no anisan’ny handray anjara amin’ny dingan’ny famaranana.
« Mihary vondro », momba ny fikarakarana ny vondro any Belalanda (Toliara) hiarovana ny haivoahary sy hanamafy ny fahaleovantena ara-tokeran’ ny vehivavy ny tetikasan’i Toziny Viva Elianah. Fanamboarana fitaovam-piarovana ampiasaina mandritra ny fadimbolana avy amin’ny akora voajanahary (akondro, mangahazo) ahafahan’ny vehivavy rehetra miaina anaty fahadiovana mandritra io fotoana lalovany io ny tetikasan’i Larissa Valisoaniaretana. « Sebio » no anarana nampitondrainy ny tetikasany. Hiatrika ny mpitsara izy ireo ary manana 180 segondra hamelabelarany ny tetikasany avy. Loka roa « Mandray andraikitra dieny izao » sy ny “Manova ny ampitso” no hifaninanana. Manohana ireto vehivavy mpikaroka ireto ny Orange Madagascar amin’ny fampitaovana sy fanampiana amin’ny fanatanterahana ny dingana samihafa takin’ny fikarohana. Aorian’ny fifaninanana hatao any Paris, mbola hisitraka fiofanana sy fanohanana eny anivon’ny Maison Digital sy ny Orange Digiatal Center ny tetikasan’izy ireo. Fanararaotra hampisongadinana ny haivao malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fifaninanana.
Vonjy





