Nandray ny solontena maharitry ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), i Adam Amoumoun, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo, omaly. Voaresaka tamin’izany ny momba ny famatsiam-bola amin’ireo tetikasa iarahana miasa.
Fanatsorana ny fomba fiasa sy ny fanalana ireo sakana. Izay no fanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana. Fantatra izany tamin’ ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny solontena maharitry ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Mba hahazoana vokatra mivaingana sy haingana ho an’ ny vahoaka izay fanafainganana ny tetikasa izay. Nohamafisin’ny Praiminisitra ireo laharam-pahamehan’ny governemanta ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGER). Eo ny famaliana ny hamehana sy ny fametrahana ny fototry ny Fanavaozana ary ny fanomanana ny fifidianana. Nasongadiny manokana ny fampiraisana ny Malagasy sy ny ady amin’ny kolikoly. Tsy latsak’izany ny fanomezan-danja ny fahazoana vokatra haingana sy ny fahombiazana ary ny fanavaozana eo amin’ ny asam-panjakana.
Fambolena sy angovo ary fotodrafitrasa
Tetsy andaniny, nasongadina sy nohamafisin’ny solontenan’ny Bad fa mitohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Ahitana tetikasa 21 mitetina hatrany amin’ny 809 tapitrisa dolara amerikanina izany. Mifantoka indrindra amin’ny fambolena, ny angovo ary ny fotodrafitrasa ara-dalana ireo tetikasa ireo. Ho fanohanana ny famokarana sy ny famoronana asa ary ny fampandrosoana ara-toekarena no antony sy ifotorany. Anisan’ny voadinika manokana koa ny fanafainganana ny tetikasa PRRE sy PRIRTEM, izay mifandraika amin’ ny fampandehanana ny toby famokarana herinaratra ao Volobe. Vinavinaina hanomboka hiasa amin’ny taona 2030 izany. Eo koa ny fanatsarana ny famatsian-drano an’ Antananarivo, indrindra ny fotodrafitrasa mifandraika amin’ny farihin’i Mandroseza.
R. Nd.





