VOVONANA Kfim : Mitaky ny hanafainganana ny fikaonandoha

« Aleo hirosoana faran’ izay haingana ny fikaonandoham-pirenena », hoy ny eo anivon’ny Otrikafo, vovonana Kfim, Rabevahiny Elia. Nan­teriny fa ilaina ny fikaonandoha mba hahafahan’ny firenena sy ny Malagasy mandray anjara amin’ny handehanana any amin’ny lalan’ny fampandrosoana.
Notsiahiviny fa nisehoana krizy hatrany teto amin’ny firenena, taorian’ny fifidianana. Tsy nandamina ny firenena izany. « Aleo aloha alamina ity tontolo politika ankapobeny eto amin’ny firenena ity. Tafi­ditra anatin’izany ny tontolom-pifidianana », hoy izy. Mbola nampisafidy koa anefa ity mpanolotsaina manokan’ny filoham-panjakana ity: « Hiha­zakazaka any amin’ny fifidianana isika sa hiroso amin’ny fandaminana ny fiainam-pirenena? », hoy izy. Nanteriny hatrany fa hapetraka ny fototra tsy iverimberenan’ny krizy intsony eto amin’ity firenena ity. Antony ilàna an’ilay fan­daminana ny tontolo politika izany, araka ny nambarany. Hanao hadisoana isika raha hanao fifidianana amin’ny taona ho avy kanefa ny tontolo rehetra manodidina izany mbola tsy milamina amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany hatrany. « Efa manda­mina ny hirosoantsika amin’
ny fikaonandoham-pirenena amin’izao fotoana izao ny fitondram-panjakana. Tsy ny sehatra politika ihany fa ny sehatra rehetra na politika io na fiarahamonim-pirenena na inona no antsoina handray anjara amin’izany », hoy izy. Heverin’ity mpanolotsaina manokana ny filohan’ny Fa­navaozana ny Repoblika ity fa hamaritra ny hoavin’i Mada­gasikara ny fikaonandoham-pirenena. Notakiny kosa anefa ny hampiharana ny tapaka amin’izany.

Synèse R.

Partager sur: