TSELATRA

Nahitana fatin-jazakely tao anaty kitapokely tetsy Ampitatafika, omaly. Narin’ny tsy mataho-tody teny amoron-drano, avaratry ny tetezan’Ampitatafika ilay fatin-jazarano. Nahatsikaritra ilay kitapo ny vehivavy iray sendra nandalo. Nokitihiny izany kanjo fatin-jaza no tao. Tonga nijery ny zava-nisy ny polisy sy ny zandarimaria. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’izy ireo ahafantarana ny tompon’antoka.
Zazavavy iray 9 taona, mpianatra ao amin’ny EPP Besopaka, kilasy T3, no nodoran’ny anabavin-drainy tamin’ny afo ny tanany roa. Nilaza ho noana ilay zaza ka naka vola 1 500 ariary nividianany zavatra. Sahirana manoratra noho ny ratra mahazo ny tanany roa ity zaza ity taorian’izay. Efa nesorina vonjimaika tao amin’ny nahavanon-doza ny zaza amin’izao satria efa tonga naka azy ny fianakaviana avy any ambanivohitra tany amin’ny CR Andrahanjo.
​Olona telo nogadraina noho ny raharaha famonoana teratany vahiny tany Mahajanga. Voarohirohy tamin’ny raharaha famonoan’olona roa samihafa tamin’ny avrily 2025 sy septambra 2026 lasa teo tany an-toerana. Efa samy nampidirina am-ponja avokoa izy ireo rehefa avy nentina teo anivon’ny fampanoavana. Mahakasika ny famonoana teratany sinoa 60 taona, mpandraharaha amin’ny sehatry ny vato tao Mahavoky Avaratra, ny 14 avrily 2025 ny iray. Momba ny famonoana vehivavy indianina iray, tamin’ny septambra 2026, ny faharoa.

Partager sur: