Hanohana ny fampianarana an’ireo vehivavy 18 ka hatramin’ny 35 taona avy amin’ny faritra 23 ny Résidence Universitaire eny amin’ny Akamasoa, Andralanitra.
Notokanana ny 7 novambra teo, teny Andralanitra, ny fotodrafitrasa natokana handray mpianatra avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Hanatsara ny fari-piainan’izy ireo sy hanamora ny fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony ity fotodrafitrasa napetraka ao amin’ny Oniversite Saint Vincent de Paul ity. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Fondation Axian, Hassanein Hiridjee, sy i mompera Pedro Opeka, mpanorina ny fikambanana Akamasoa. Nanatrika izany koa ny solontenan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. « Tsy trano fotsiny no notokanana androany, fa varavarana misokatra ho an’ny vehivavy miisa 100, hanorina ny hoavin’i Madagasikara », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Groupe Axian, Hassanein Hiridjee. « Rehefa mianatra ny vehivavy iray, mandroso ny fianakaviana sy ny firenena », hoy kosa mompera Pedro.
Fampitaovana
Efa tamin’ny jona 2025 no napetraka ny vato fototry ny fotodrafitrasa. Misy rihana efatra, ahitana efitrano fianarana, efitra fatoriana, lakozia, trano fisakafoana ary toerana fanasan-damba ny Résidence universitaire. Ahitana efitra natokana ho an’ny olona manana fahasembanana ihany koa. Mahazo herinaratra avy amin’ny masoandro sy internet avy amin’ny Yas ireo mpianatra. Anisan’ny mpianatra voalohany i Tsiky. « Mahatsiaro ho voaaro aho ary afaka mifantoka amin’ny fianarana », hoy izy. Angady nananana sy vy nahitana ny tetikasa ny Fondation Axian. Namatsy vola ny tetikasa sy nanao ny fampitaovana ary ny connexion kosa ny Yas Madagascar. Niandraikitra ny fanorenana ny orinasa First Immo. Nametraka ny rafi-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, eny an-toerana ny NEA.
Henintsoa





