INDRAY MIJERY

Nanolotra fifanarahana arakasa ho an’ ireo mpiasa vaovao miisa 12, tany Bongolava, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny herinandro lasa teo. Nambaran’ny minisitra mpiahy, nandritra izany, fa horaisina ho mpampianatra raikitra avokoa ireo mpampianatra mpisolo toerana (vacataires) miisa 15 eo anivon’ny DRETFP Bongolava.

Ho tohin’ny fifanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fampahafantarana voalohany nataon’ity vaomiera ity mahakasika ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana. Nambara fa lisi-pifidianana amin’ny endrika alphanumérique no kasaina hampiasaina amin’ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Toerana telo no nosafidian’izy ireo hanaovana ny andrana fisoratana anarana, ka anisan’izany ny oniversiten’Antananarivo

Mpianatra 1 600 nahazo ny diplaoma Licence sy Master teo anivon’ny École normale supérieure Fianarantsoa. Nanaraka fampianarana tamin’ny lalam-piofanana roa izy ireo : ny Sciences et Technologies sy ny Sciences de l’éducation. Mbola tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-45 taonan’ny ENS ny hetsika fizarana diplaoma tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny oniversiten’Andrainjato- Fianarantsoa.

Partager sur: