CHUJRA : Fampahafantarana ny homamiadan’ny prostaty

Ao amin’ny HJRA, ny zoma izao, no hampahafantatra ny mahakasika ny homamiadan’ny prostaty izay mpahazo ny lehilahy, indrindra ireo efa nahazo taona, ny ekipan’ny fahasalamana ao an-toerana. Hanoroana koa ny sampandraharaha mandray an-tanana ity aretina ity sy hahafahana misitraka fitsaboana.
Raha ny antontanisa voarakitra ao amin’ny CHU JRA nandritra ny volana janoary ka hatramin’ny jolay teo, nahitana trangana homamiadan’ny prostaty (adénocarcinome) mi­isa 3 voamarina.

Lahilahy 25 hatramin’ny 59 taona no nahitana ny tranga iray ary raim-pianakaviana mihoatra ny 60 taona ny tranga faharoa.
Araka ny fanazavan’ny OMS, mampitombo ny fahombiazan’ny fitsaboana ny fahitana mialoha ny homamiadana sy ny fandraisana an-tanana azy ara-potoana. Zava-dehibe ny fanaovana fitiliana hahafantarana mialoha ny fahasalamana na ny mety ho fiandohan’ny aretina hanamorana ny fitsaboana.
Tsy tokony hahamenatra ny manatona dokotera sy mangataka torohevitra ara-pitsaboana.
Mizara ho dingana efatra ny homamiadan’ny prostaty. Raha mbola kely sy voafetra ao amin’ny prostate ilay homamiadana dia azo atao tsara ny fitsaboana. Mitohy miha lehibe izany rehefa tsy mbola tsaboina, tsy mbola miparitaka. Manomboka mi­paritaka amin’ireo tavy manodidina izy rehefa tsy misy fikarakarana ara-pahasalamana. Efa miparitaka any amin’ny taova hafa, toy ny taolana sy ireo atoditarimo kosa rehefa amin’ny dingana farany.

Tatiana A

Partager sur: