Faritra Atsinanana : Miomana amin’ny fotoam-pahavaratra

Ho fiomanana amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra 2026–2027, ao amin’ny faritra Atsinanana, nirosoana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra mandrafitra ny Vondrona fiarovana na ny Groupe sectoriel protection. Nandritra izany, nojerena manokana ny lesona azo avy amin’ny fiatrehana ny rivodoza Gezani, izay nahitana ny filana fanatsarana ny fiomanana sy ny fandrindrana asa.
Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ny fomba fiasa hanatsarana ny fiomanana, ny fandrindrana ary ny famaliana ireo filana ara-piarovana mialoha, mandritra ary aorian’ny voina. Anisan’ny lohahevitra nodinihina ny fiomanana amin’ny vonjy taitra sy ny hetsika mialoha ny loza, ny fandrindrana ny sehatra, ny fitantanana sy fanangonana vaovao, ny fanaovana tatitra ary ny rafitra fampifandraisana ireo olona mila fanampiana amin’ny tolotra fiarovana.
Ny BNGRC, DRPS Atsinanana, miaraka amin’ny Unicef sy Save the Children no miaraka misalahy amin’ny fanatanterahana ny atrikasa. Mikendry ihany koa ny famolavolana ny drafitra laharam-pahamehana ho fiomanana amin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza 2026–2027.

Vonjy

Partager sur: