Mahatantesa fiovana !

 

Ambaran’ny fitondrana amin’izao ny hoe “Mahatantesa fiovana.” Sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Ny tena no mila miova raha te hanova. Mby aiza? Tapaka tamin’ny dinika fanomanana fifidianana farany teo, ohatra, ny amin’ny fampiasana fitaovam-panjakana amin’ny fampielezan-kevitra. Hoe hisy fampiharan-dalàna amin’izay. Iandrasana fampielezan-kevitra ve ny amin’izany? Misy ny azo ampiharina dieny izao, raha tena hiova sy hanova.
Hatraiza, ohatra, ny fampiasana fitaovam-panjakana amin’ny fiainan’ny tena manokana fa tsy raharaham-
panjakana? Fampiasana fiaram-panjakana amin’ny fampandehanana raharaham-panjakana, ohatra, entina miantsena, manatitra mpianatra, mitsangantsangana… Tsy misy raharaham-panjakana izany. Eny, na ny fanirahana mpiasam-panjakana hanao an’itsy na iroa aza, ny fampiasana telefaonina amin’ny fahana iantohan’ny fan­jakana ampiasaina amin’ny raharahan-tokantrano… Mifangaro voraka? Zava-madinika izany. Nefa izay azo itokisana amin’ny kely no azo antoka amin’ny lehibe. Anisan’ny miavaka sy fantatra amin’izany, ohatra, ny tomponandriki-panjakana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga any Sued: mandeha “bus” hiasa, tsy mampiasa telefao­nina amin’ny raharahan-tokantrano izay tsy asam-panjakana.
Hatraiza àry ny fampiasana soli-panjakana, fahana telefaonim-panjakana… ? Toy izany koa ny fampiasana mpiasam-panjakana, fiaram-panjakana, tranom-panja­kana… Mahatantesa fiovana? Manomboka eo amin’ny tena aloha. Sao ny ira-panjakana na fitsidiham-paritra iantohan’ny fanjakana no hararaotina hanatevenana ny ambaindain’ny fikambanana na antoko misy ny tena? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Atomboka amin’izay akaiky sy manodinana ny tena ny fifanaraha-maso, fifampitene­nana.. Ahoana tokoa? Mahatantesa!

R. Nd.

Partager sur: