Mahazo vahana indray ny fakana tany an-keriny. Mialokaloka amin’ny maha manana fahefana sy manana voninahitra ny sasany. Misy midina eny ifotony amin’ny ramatahora sy fampiasan-kery. Misy ny manampatra fa azy ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Inona moa izany no antenaina? Fanavaozana dradradradraina, fa ny madinika mandinika ihany. Miaritra ny tsindry sy ny ramatahora hatrany. Voan’ny tainkano tsy tiankano, mandefitra ny manana ny rariny.
Ny tena mahahontsa, maro ny tanora migadra, ny mareforefo sy bebetaona hatao ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Sanatria mifamendrofendro fa tany hanototra no hiadiavana. Ny sasany efa tena lasa manam-pahaizana ambony amin’ny kajy fangalaran-tany sy ny fombafomba hanovana ny bokintanin’olona ho lasany. Maro no mitaraina sy manao antso avo amin’ny mpitondra. Indrokely, mitory tany an’efitra izy ireny, angaha misy mihaino akory!
Nahavelombolo ny mponiny ny famerenan’ny fanjakana ny tanin’izy ireo tamin’ny tanàna sasantsasany. Tsy ampy hilazana fa tena akaiky vahoaka anefa izany satria misy amin’ny olana voavaha noho ny antony politika sy fanenjehana olona hafa firehana. Zava-dehibe ny ezaka vita, andrasana kosa ny tsy fanaovana mizana tsindrian’ila. Samy miandry tohana sy fiarovan’ilay fitondran’ny fanavaozana ny olom-pirenena tsirairay avy. Miandrandra fanavaozana mipaka amin’ny andavanandrom-piainany.
Azo tsapain-tanana ny ezaka natomboka saingy mbola misy ny nomem-pahefana tsy natao ho an’ny marefo. Maro ny atody miady amam-bato, ankehitriny. Misy ny hitsikitsika natao handihizana no nipaoka ny zanaka akoho. Ny natao hanirina no maika mampivandravandra. Tsy ifanomezan-tsiny anefa izay, na ny Filohan’ilay Fanavaozana aza mbola sahin-dry zalahy ny mamadika azy. Olobe tahaka ireny aza velon-taraina amin’ny mpamadika sy mpandefona ivoho.
r.r





