Hotanterahina eto an-drenivohitr’i Madagasikara, mandritra ny faran’ny herinandro voalohan’ny volana desambra, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja basikety, 3×3. Niakatra ny isan’ny mpandray anjara.
Nampahafantarina tao amin’ny orinasa Yas Madagasikara, etsy Andraharo, omaly, fa hatao ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 3 hatramin’ny 6 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety lalaovin’olona telo miaraka. Hafana tanteraka ny fifanandrinana amin’ity satria nitombo ny isan’ireo firenena handray anjara amin’izany. Ho an’ny lehilahy, niakatra ho 18 ny mpandray anjara raha toa ka 14 izany teo aloha teo. Hifandimby hihaona amin’i Madagasikara ao, ry Algérie, Bénin, Kenya, Egypte, Ouganda, Nigeria, Comores, Seychelles, Zambie, Tunisie, Mali, Angola, Somalie, Maroc, Ghana, Soudan du Sud, Guinée. Ho an’ny vehivavy kosa, niakatra 14 ireo mpifaninana raha toa ka 10 izany tamin’ny taona lasa teo. Hidona amin’ny Ankoay indray i Bénin, Ouganda, Algérie, Kenya, Comores, Tunisie, Maroc, Mali, Togo, Soudan du Sud, Guinée, Angola. Raha ny fanazavana azo, miatrika ny dingam-pifaninanana manaraka avy hatrany ireo 10 voalohany eto Afrika raha toa ka mbola manao lalao fifanintsanana hivoahana ekipa roa ireo valo ambiny amin’ny lehilahy. Toy izay ihany koa ny vehivavy, saingy ireo firenena telo ambiny hiady ny tapila tokana hiakarana amin’ny dingana manaraka. Nilaza ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa efa ao anatin’ny fanomanana hatrany ny ekipam-pirenena malagasy, ankehitriny, ary ny 25 novambra ho avy izao no hamoahana ny anaran’ireo Malagasy mpilalao enina isan-tsokajy lahy sy vavy handrafitra ny Ankoay. Iray andro alohan’ny fifaninanana vao havoaka amin’ny fomba ofisialy ny anaran’ireo mpilalao valo mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena. Ampahafantarina ihany fa tompondaka farany tamin’ny lehilahy sy vehivavy farany teo i Madagasikara. Marihina fa raha tsy misy ny fiovana farany, ho avy eto an-tanindrazana hanatrika ity fifaninanana ity ny filohan’ny Fiba Africa, Anibal Aurelio Manave sy ny filoha lefitrin’ny basikety 3 x 3 maneran-tany, Ambrose Tashobya.
Fitia Randria





