Handball – CCCOI 2026 : Ekipa 19 no hiady izay ho tompondaka

Hotanterahina ao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix, Mau­rice ny 21 – 28 novambra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny am­boara (CCCOI 2026), taranja handball. Miisa 19 ireo ekipa hiatrika izany ka 9 vehivavy. Avy amin’ny firenena fito izy ireo dia Madagasikara, Mau­rice, Mayotte, Maurice ary La Réunion sy Comores ary Seychelles. Fihaonana karakarain’ny fikambanan’ny han­dball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AHBOI) sy ny fikambanan’ny Handball ao Maurice (MHA). Manana so­lon­tena roa avy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy i La Réu­nion sy i Madagasikara. Iray vondrona ho an’ny vehivavy, ny My-Sah Itasy, tompondakan’i Mada­gasikara sy ny ASCES Etang-Salé La Réu­nion.

Tompondaka

Sokajy «A» lehilahy : ST Pierre (La Réunion) ; Littoral (Madagasikara) ; Curepipe (Maurice) ; Combani (Mayotte) ; Liberte (Comores) ; Rodrigues
Sokajy «B» : Château Morange (La Réunion) ; HCEST (Madagasikara) ; Beau-Bassin Rose Hill (Maurice) ; ASC Tsingoni (Mayotte) ; AC Brothers (Seychelles)

Sokajy «A» vehivavy : Bois de Nèfles (La Réunion) ; Combani (Mayotte) ; THBC (Madagasikara) ; Curepipe (Maurice) ; Liberte (Comores)
Sokajy «B» : Etang-Salé (La Réunion) ; Tsingoni (Mayotte) ; My-Sah (Madagasikara) ; Beau-Bassin (Maurice) ; Rodrigues

Partager sur: